50 Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
51 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
52 Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
53 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely; ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.