1 Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.
2 Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
3 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
4 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin'ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
5 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
6 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
7 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.