16 Hatramin'ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran'ny anarako; fa nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17 Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
18 Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19 Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
20 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21 Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22 Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra