11 (Hirama, mpanjakan'i Tyro, nanome an'i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany amin'ny tany Galilia kosa Hirama.
12 Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny.
13 Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany.
14 Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka.
15 Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera
16 (fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona),
17 ary, Solomona nanamboatra an'i Gazera sy Beti-horona ambany