13 Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.
14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?
15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa.
16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.
17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;
18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.
19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?