13 Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,
14 dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17 Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.