1 Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.
3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
4 Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.