18 Ary nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an'ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
19 Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian'ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan'ny mpanjaka izy.
21 Ary hoy Saoly: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin'ny tany izy, dia hotadiaviko eran'ny arivon'i Joda rehetra.
24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.