1 Samoela
toko 26:1-4
Malagasy Bible
1Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.
3Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.