1 Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
2 Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.
3 Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.
4 Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.
5 Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.
6 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.