14 Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.
15 Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:
16 Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.
17 Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.
18 Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.
19 Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20 Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?