22 Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.
23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.
24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.
25 Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.
26 Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.
27 Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.