11 Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
12 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
13 Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
14 Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
15 Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
16 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.