4 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
6 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
7 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
8 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.
9 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
10 Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.