2 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.
3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
7 ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
8 Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.