3 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
4 Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
5 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
6 sy Noga sy Nafega sy Jafia
7 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
8 Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.