27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.
28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29 Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.