14 Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany.
15 Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16 Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany.
17 Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra.
18 Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany.
19 Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20 Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.