24 Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.
25 Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia;
26 ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;
27 ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
28 ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;
29 ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;
30 ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;