1 Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
3 ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4 Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
5 Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,