1 Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
2 Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.
3 Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.
5 Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.