37 ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa
38 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.
39 Ary ny zanakalahin'i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.
40 Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina.