2 Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4 dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.
5 Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6 Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
8 sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;