16 Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
17 Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.
18 Ary tamin'izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.
19 Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
20 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21 Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila. Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.