1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.
2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.
4 Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.
5 Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
6 Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.
7 Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.