16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka.
17 Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
18 Ary ny Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria.
19 Ary ny tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.