1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, tamin'ny Isiraely tao Samaria; ary nanjaka Sivy taona izy.
2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka ny nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely teo alohany.
3 Niakatra hanafika azy Salmanesera, mpanjakan'i Asyria, ka dia tonga mpanompony nandoa hetra ho azy Hosea.
4 Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.