1 Ary Namàna, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
2 Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.
3 Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.
4 Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.