2 Mpanjaka 5:18-24 MG1865

18 Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.

19 Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.

20 Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin'ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.

21 Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namàna Ary nony tazan'i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?

22 Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.

23 Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.

24 Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.