14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah?
15 Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
16 ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
17 Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
18 (ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara izany):
19 Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery!
20 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora.