3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
4 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.
6 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo lahy, ary tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7 Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8 Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
9 Ary rehefa hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.