2 Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
3 Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
5 Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
6 Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
7 Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
8 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.