4 Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
5 Ary nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
6 Ary Davida naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
7 Ary nony tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
8 Ary hoy Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka izy.
9 Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
10 Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina mody any an-tranonao?