13 Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
16 Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
18 Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.
19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.