11 Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
15 Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
16 Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
17 Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao?