1 Ary hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an'i Davida anio alina;
2 ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3 dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin'io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan'ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4 Ary sitrak'i Absaloma sy ny loholon'ny Isiraely rehetra izany.