2 Samoela 17:17-23 MG1865

17 Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin'i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.

18 Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.

19 Ary nalain'ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan'ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.

20 Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.

21 Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.

22 Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka ,azy, ka nita an'i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.

23 Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.