7 ary resy tao ny lehilahy amin'ny Isiraely teo anoloan'ny mpanompon'i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
8 Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin'ny ala androtrizay dia be noho ny matin'ny sabatra.
9 Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
10 Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin'i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin'ny hazo terebinta Absaloma.
11 Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
12 Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.
13 Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.