2 Samoela 19:37-43 MG1865

37 Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?

38 Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.

39 Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.

40 Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.

41 Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.

42 Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin'Isiraely nankao amin'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin'ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon'i Davida rehetra teny aminy hita an'i Jordana?

43 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy? Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.