46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin'ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe;
50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.