16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
17 Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
19 Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.