20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
23 Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
24 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.
25 Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.