2 Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima.
3 Ary nataony teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.
4 Ary dia nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5 Ary Davida sy ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran'izany tany izany mandraka androany.