10 Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
11 Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
12 Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
13 Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.