1 Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitra;
2 fa nandrava ny alitaran'ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
3 Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
4 Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
5 Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
6 Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.