2 Tantara 3 MG1865

Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy

1 Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.

3 Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

4 Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.

7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy

9 Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.

10 Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.

11 Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;

12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.

14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.

15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.

16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.

toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36