4 Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon'i Jehovah.
5 Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
6 Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?
7 Fa ny zanak'i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon'Andriamanitra; ary ny zavatra masina rehetra tao an-tranon'i Jehovah koa dia efa nateriny ho an'ireo Bala.
8 Ary nasain'ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah izany.
9 Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
10 Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin'ny vata ambara-pahatapiny.