1 Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
2 Izy no nanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany ny mpanajaka.
3 Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
4 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy.