25 Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
26 Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon'i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
27 Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
28 Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan'ny fanatitra dorana.
29 Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra teo aminy.
30 Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.