1 Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
2 Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema,
3 dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.
4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.